dimanche 24 avril 2011

Trondro mena kelin'i Holy Tiana sy Mialy

Nandeha nitondra ny ankizy teny amin'ny fête foraine ireny izahay tamin'ny volana fevrier farany teo, dia inona hoy ianareo, io trondro kely io no loka azon'i Holy Tiana sy Mialy.
Izahay anefa tsy nanana ireny fitaovana hiompiana azy ireny, voatery tsy maintsy nividy aquarium miaraka amin'ny pompe électrique misy filtre fanadiovana ny rano, avy eo mbola mila produit koa entina anesorana ny ammoniac amin'ny rano izay mamono itony trondro kely mena itony, ankoatr'izay ny sakafo omena azy.

Ankehitriny efa lasa roa izy ireo, nangalàna namana iray mantsy mba hilalaovan'ilay iray taloha.


Dia samy revo daholo miompy trondro ato an-trano.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire